2424.mgArticles similaires
Navoakan’ny Komity mahaleotena mikarakara fifidiana (CENI), androany 09 desambra, ny valim-pifidianana vonjimaika tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny Mpanolontsain’ny tanàna, izay notanterahana ny 27 novambra lasa teo. Nandritra izany lanonana izany no nanambaran’ny filohan’ny Ceni, Heriniaina Rakotomanana, fa fiarahan’ny rehetra miombona no hahafahana manadio ny lisi-pifidianana. Maro koa ireo lesoka tokony harenina na teo aza ireo dingana efa vita hoy hatrany ny tenany.