Mampiaka-peo ny Sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana (SEMPIDOU). Milaza ny tsy hifampidinika amin’ny tompon’andraikitry ny ministeran’ny Fitatantam-bola sy ny tetibola ny mpikambana raha tsy mivaha ny fangatahan’izy ireo.
« Misokatra amin’ny fifampiresahana izahay fa mila miverina aloha tambin-karama tapaka vao miresaka », hoy Herizo Andrianavalona, filohan’ny SEMPIDOU, ny alakamisy maraina teny Antaninarenina. Teny tokoa mantsy no nifampotoanan ireo mpikambana ao amin’ity sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana ity no nampiseho firaisan-kina tamin’ireo namany 98 tapaka tambin-karama ka nanapahan’izy ireo hevitra ny hitokona roa andro. Fahatapahana noraisin’ny ministera nanolona ny fitokonan’ny sendika ihany mikasina fitakiana hafa efa ho amam-bola izao.
Mandrangaranga fitohizan’ny hetsika ny SEMPIDOU raha tsy misy fiovana ny rahahara. Nilaza Herizo Andrianavalona fa « hiova endrika » izany fitokonana izany. Hisy ny fivoriam-be iarahan’izy ireo mikaon-doha ny alatsinainy ho avy izao.
Ny eo anivon’ny ministeran’ny Fitatanam-bola sy ny tetibola kosa anefa manana fomba fijery hafa momba ny famahana ny olana. Raha ny tsilian-tsofina heno teny dia nandefa feo ny tompon’andraikitra ny hifanantonana, saingy ny fe-petra no tsy mitovy amin’ny takian’ny mpitokona.
Raha ny tsikaritra dia anefa tsy dia voaaraka firy ny fitokonana notontosain’ny SEMPIDOU. « Niodina avokoa ny raharaham-panjakana » hoy ny feo voaray teo anivon’ny fadin-tseranana. Nokian’i Herizo Andrianavalona anefa ny fisian’ny « fe-petra », toy ny fandraisana ny anaran’ireo mpitokona, noraisin’ny ministera, ka nahatonga ny mpiasa tsy nirohotra nanaraka ny antson’ny sendika.
Tsy vao izao moa no tsy mitovy hevitra ny Sendika sy ny ministera. Efa nanapa-kevitra ny hitokona ity voalohany nitaky ny fampitsaharana ny GasyNet amin’ny asany efa am-bolana maro izao. Ankehitriny, niampy iray indray ny sehatra tsy hitovian-kevitra.














