Andro iray mialohan’ny fisokafan’ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fitsapan-kevibahoaka dia naneho ny heviny ny firaisamonim-pirenena Ivotoerana Sampana Anaraha-maso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana (SAFIDY) sy ny KMF-CNOE, ny alakamisy 25 aprily teny Ambatonakanga sy teny Antanimena. Nanambara ny tompon’andraikitra ara-teknika eo anivon’ny Safidy, Stella Razanamahefa fa hampisavorovoro ny saim-bahoaka ny fanatanterahana ny fitsapan-kevibahoaka.
Nanamafy izany koa ny filoha nasionalin’ny KMF-CNOE, Andoniaina Andriamalazaray. « Natao akamehana ny fitsapan-kevibahoaka. Tokony naka ny hevitry ny Fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana ny fitondram-panjakana vao niroso tamin’ny famoahana ny didim-panjakana manainga ny mpifidy », hoy hatrany ny tenany.













