? FITSENANA NY PAPA RAY MASINA FRANÇOIS – Nanambara ny komandin’ny zandarimariam-pirenena fa tsy azo atao ny miditra ny seranam-piaramanidina mitsena ny Papa. Olona voafetra no mahazo alalana amin’izany. “Azon’ny rehetra atao kosa ny mitsena azy eny amin’ny sisin-dalana saingy mila manaraka ny toromariki’ny mpitandro filaminana” hoy ny Jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka.