Lo, Loa, Loha : voanteny mitovitovy fitonona fa tsy mitovy fanoratra. Rehefa simba ny zavatra dia lazaina fa lo. Loa no iantsoana ny zavatra nohanina ka avoaka indray avy any anaty. Entina manondro ny faritra ambony na izay aloha indrindra kosa ny teny hoe Loha. Manazava ny fomba hanavahana azy ny Profesora Ranaivoson Jeannot Fils, mpampianatra-mpikaroka ao amin’ny Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra sy ny siansan’ny maha olona.













