Anisan’ireo volazan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny kabary nataony omaly 19 aprily ny mikasika ny famerenana tsikelikely amin’ny laoniny ny fampianarana, indrindra ho an’ireo mpianatra manala fanadinana. Manolona izany, milaza ho efa nandray ny fepetra rehetra hampirindra ny fiverenana mianatra ireo tompon’andraikitra.













