FIZARANA « PANIER GARNI » TSY MITOVY – Tsy hihemotra amin’ny fitakiany ireo mpampianatra
Hitohy mandritra ny 48 ora indray ny fampiatoan’ny fampianarana etsy amin’ny Lisea LMA sy ireo liseam-panjakana sasantsasany nohon’ny fizarana tsy mitovy ilay « Panier garni ». Nanambara ny fikambanan’ireo mpampianatra androany fa mahatsiaro ho natao ankilabao izy ireo eo amin’ny samy mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fanabeazam-pirenena.
Etsy an-daniny dia nanome fanazavana mahakasiky ny tsy fitoviana teo amin’ity solom-bodiakoho ity ny ministry ny Fanabeazam-pirenena. Naneho fialan-tsiny ihany koa ny tenany tamin’ireo izay nahatsiaro ho voatohina.













