Manantona, mihantona, manatona : teny mitovitovy fanonona saingy samy hafa mihitsy ny hevitra fonosiny. Afangaron’ny olona anefa ny fampiasana ireo teny ireo matetika ka mampiova tanteraka ny hevitra tiana hampitaina. Raha tsy te handiso intsony ny fampiasana ireo teny malagasy ireo, dia tsara raha mihaino ny fanazavan’ny Profesora Jeannot Fils Ranaivoson, Mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Sampana Malagasy an’ny Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra sy ny siansa maha-olona eto Antananarivo.














