« Jazz Tohatohabato »
Tanora manodidina ny 60 no naneho ny talentany nandritry ny hetsika « Jazz Tohatohabato » nokarakarain’ny Goethe-Zentrum Antananarivo na Centre Culturel Germano Malagasy (CGM), ny 02 jona lasa teo, tetsy amin’ny Tohatohabaton’Antaninarenina. Isan’ireo tanora nandray anjara mavitrika tamin’izany i Kool Raoelison, Sandratra Andrianotahianjanahary ary i Antonio Andriantsoanirina ao amin’ny Groupe Intello. Tafatafa fohy niarahana tamin’izy ireo.













