KARAMA FARANY AMBANY – 200.000 ariary ny karama farany ambany napetraka teto Madagasikarana araka ny didim-panjakana laharana faha 2019-927 nivoaka ny taona 2019. Hatreto anefa dia mbola maro ireo orinasa tsy mampihatra izany. Mitarika amin’ny fandroahana tsy ara-drariny matetika ny fitakian’ireo mpiasa ny ampiharana izany karama farany ambany izany. Ny ankamaroan’ireo fitoriana voaray eny amin’ireo sendika miaro ny zon’ny mpiasa dia vokatr’izay avokoa.













