Nanainga androany (05 febroary) ireo fiarabe miisa 06 avy amin’ny BNGRC, nalefa hitatitra ireo fanomezana rehetra voaray avy tamin’ny mahalala-tànana hoan’ireo traboina nohon’ny andro ratsy. Mahatratra 90 taonina ny entana ho tanterina, ary faritra miisa roa izay mbola tsy nahazo fanampiana mihitsy, no hiantefan’izany dia i Sofia sy Boeny.