FITATERANA – Samy manana ny heviny ireo olona momban’ny fampiakarana ny tahan’ny lamandy amin’ireo fiara tsy manara-dalàna. Ny Talen’ny Fitaterana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Vigor Rafenoarison Bemanana, dia nanambara, ny 7 janoary, fa mbola eo an-dalam-pandinihana ny teti-kady ho fampiharana ny lalàna ny eo anivon’ny Kaominina.













