Milaza tsy mahalala ny mombamomba ilay fanafody andrana fanefitry ny coronavirus ireo solombavambahoaka
Tsy dia voaresaka loatra nandritra ny fihaonan’ireo solombavambahoaka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny ny talata teo ny mahakasika ilay fanafody fanefitry ny coronavirus atao andrana klinika eto Madagasikara. Raha nanontaniana ireo solombavambahoaka dia misy ireo milaza tsy mahalala akory ny mahakasika io fanafody andrana io.
Nilaza anefa ny filoham-pirenena tamin’ny fitsidihana nataony tany Toamasina fa nanomboka ny alarobia 27 may teo no nanomboka io andrana klinika io.













