Isan’ny mampiaina ny tsena eto Antananarivo Renivohitra ireo mpitarika sarety. Fianakaviana maro no mivelona ao ambadik’ity asa ity. Amin’izao fiparitahan’ny valan’aretina coronavirus izao dia mbola nanohy ny asany andavan’andro izy ireo ny marainan’ny 27 Martsa.