Maro ireo tanora no nandray anjara amin’ny « Ndao e-lalao », izay hetsika ara-panatanjahantena karakarain’ny E-tech ny asabotsy 20 jona ka hatramin’ny 21 jona. Ny tanjona dia ny hampiraisana hina ireo orinasa rehetra eto Madagasikara. Hoan’ny ankamaroan’ireo mpandray anjara dia fotoana iray iarahana mifaly sy milalao, lavitra ny fahasorenana izay mety hita eo amin’ny sehatry ny asa, ity hetsika ity.













