TOETR’ANDRO : Ahiana hivadika ho rivo-doza ato anatin’ny 48 ora ilay tangoron-drahona ao avaratra atsinanan’i Madagasikara
ANTANANARIVO : Hotokanana rahampitso ireo fotodrafitr’asa vaovao sy nohavaozina manoloana ny Lapan’ny tanàna raha ny nambaran’ny kaominina
FANADINAM-PANJAKANA : Manodidina ny 27.570 eo ireo mpiadina voasoratra anarana amin’ny fanadinana CEPE eto Antananarivo Renivohitra
FITATERANA : Miverina misokatra ny toeram-pandanjana fiara vaventy eo Ambohimalaza sy Toamasina
KOLONTSAINA : Maimaim-poana ny fitsidihana ny Rovan’Ambohimanga sy ny Rovan’i Madagasikara ho an’ireo mpianatra ny 18 Mey izao














