Nosokafan’ny Shell Madagascar ny 18 desambra lasa teo ny fahafahana mandoa vola amin’ny alalan’ny carte visa eny amin’ny station Shell eran’ny Madagasikara. Hihatra amin’ny tobintsolika 61 amin’ireo 74 eran’ny nosy izany hatramin’ny faran’ny volana Janoary 2021. Tafiditra anatin’ny politika fanatsarana ny tolotra ary ahafahana manakaiky kokoa ny mpanjifa izany hoy ny Tale Mpitantana ny Shell Madagascar.














