« PANIER GARNI » – Hitohy herinandro indray ny fitokonan’ireo mpampianatra vokatr’ilay fitsinjarana tsy mitovy ny solombodiakoho, na « panier garni », nomen’ny filoham-pirenena. Noho izany dia ho tapaka indray ny fianarana mandritra ny herinandro ao amin’ireo sekolim-panjakana mivondrona ao amin’ity hetsika ity. Miantso ny filoham-pirenena ireto farany mba hiditra an-tsehatra amin’ity raharaha ity.