« PANIER GARNI » – Nanome fanazavana manokana ny Praiminisitra Christian Ntsay mahakasika ny fizarana ny « Panier garni » mitentina 65 000 ariary, izay natolotry ny Filoha Andry Rajoelina hoan’ny mpiasam-panjakana. Niteraka resabe mantsy izy ity teo anivon’ny ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.