Faly sy miray fo amin’ireo mpino katolika ny mpino rehetra eto Madagasikara amin’izao fivahinianan’ny Papa Ray Masina François izao. Manantena ny tsirairay fa hitondra fiovana eo amin’ny tontolon’ny finoana ny fahatongavany. Nanontany ny hevitr’ireo tompon’andraikitra ara-pinoana samihafa izahay.