Tsy mahatoky fampanantenana am-bava intsony ny eo anivon’ny Plateforme des Associations des Syndicats de l’Education à Madagascar (PASEM) raha ny fanazanavana nomen’ireo mpikambana. « Mitaky ny famoahana ho didy fampiharana ny fampanantenana nataon’ny ministra sy ny governemanta ireo mpanabe », io no fangatahan’izy ireo. Miandry hatrany ny fandoavana, amin’ity volana martsa ity, ilay tambin-karama 50 000 ariary nampanantenain’ny fanjakana azy ireto mpampianatra ireto.