Mahatratra 28 000 ireo olona voafonja eto Madagasikara ankehitriny. Tsy mbola misy mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus hatreto izy ireo raha ny fanambarana nataon’i Jhonny Richard Andriamahefarivo, minisitra ny Fitsarana, androany 26 may teny Ivato.
Hoan’ireo voaheloka ka tsy maintsy ampidirina am-ponja kosa dia hatoka-monina aloha izy ireo vao afaka ampidirina any amin’ny efitra tokony hitazonana azy.













