Hisy ny fanamafisana ireo « barrages sanitaires » hiarovna ny mponina eto amin’ny faritra Analamanga noho ireo fifindramonina ataon’ireo olona avy any amin’ny toerana hafa indrindra ireo avy any Toamasina. Io no nambaran’ny Préfet an’Antananarivo, ny Jeneraly Angelo RAVELONIARIVO. Nilaza ny tenany fa harahi-maso akaiky na ireo mpitandro ny filaminana manao kolikoly na ireo olona izay mivezivezy ka voakasik’izao fepetra izao.