Na dia efa miroso amin’ny fanesorana mpiasa aza ireo kaompaniam-pitaterana an’habakabaka maro maneran-tany nohon’ny fijanonan’ireo sidina rehetra vokatry ny valan’aretina Coronavirus dia mbola afaka nitazona ny azy ihany ny kaompania Tsaradia. Manantena ny fisokafan’ny lanitra nefa izy ireo mba hahafahana manohy izany.













