Betsaka ireo olona maniry hanangana mozea eto Madagasikara, saingy mihemotra izy ireo rehefa ambara aminy ireo fepetra takiana amin’izany. Io no nambaran’ny Dr Bako Rasoarifetra, Filohan’ny filankevitra iraisam-pirenena ny amin’ny tranombakoka eto Madagasikara (ICOM). 12 hoy izy no isan’ireo mozea manaraka ny fenitra eto Madagasikara.













