Manodidina ny roapolo ny isan’ny olona atao fanadihadiana lalina mahakasika ny fakana an-keriny an’i Anil Karim, teratany indiana, tompona fivarotam-panafody iray eto Antananarivo. Anisan’izany ny fianakaviany akaiky, raha araka ny fanazavan’i Jeneraly Andry Rakotondrazaka, Komandin’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena eto Antananarivo (CIRGN Antananarivo).













