“Misy akony be dia be amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny fomba fisakafoan’ny Malagasy”, hoy Christian Ratompoarison, mpikaroka, manam-pahaizana momba ny fanjarian-tsakafo sy famokarana ary fanodianana sakafo. Nampatsiahiviny fa mahatratra 150 kilao isan’olona isan-taona ny vary hohanin’ny Malagasy raha ny antontan’isa, ary azo sokajiana ho anisan’ny voalohany aty Afrika i Madagasikara raha ny fihinanana vary.














