Ny ivotoerana Sampana Anarahamaso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana (Safidy) , dia nanantanteraka atrikasa ny 11 ka hatramin’ny 15 marsa, ao Ambatonakanga. Izany dia entina hanangonana soso-kevitra hoenti-manatsara ny fandaminana ny fifidianana, hampitomboana ihany koa ny fahaiza-manaon’ny mpanara-maso ny fifidianana. Momba indrindra ny fifidianana solombavam-bahoaka ny 27 May, ny mpiandraikitra ara-teknikan’ny ivotoerana Safidy, Marie Stella Razanamahefa, dia nilaza fa ny kandidà dia tokony hiomana ara-tsaina ary indrindra ara-bola alohan’ny ametrahany ny atontan-taratasy filatsahan-kofidiany. Ny vahoaka koa anefa dia mila mahafantatra ireo adidy sy andraikitr’ireo solombavambahoaka.