SECES – Tsy mbola niverina nampianatra ireo mpampianatra eny amin’ny ambaratonga fototra, noho ilay raharaha « panier garni », dia milaza ny mbola hanohy ny fampiatoana ny fianarana eny amin’ny anjery manontolo ihany koa ireo mpampianatra mpikaroka avy ao amin’ny SECES, raha tsy mahazo valiny mahafapo tamin’ireo fitakiana nataon’izy ireo. Androany 15 janoary moa no fe-potoana farany nomen’izy ireo ny filoham-pirenena mba hijerena manokana ny momba azy, taorian’ny fivoriana naton’ny SECES rehetra manerana ny nosy ny faha 17 ny volana Desambra 2019 lasa teo.













