Vitsy ny fiara mivezivezy, nihena ihany koa ireo fiaramanidina mandeha. Nidina noho izany ny fanjifana solika nandritra ny fihibohona. Raha ny fanazavana azo dia tonga hatramin’ny 91 % izany fihenana izany hoan’ny karazan-tsolika sasany. Tsy nahitana fihenana kosa ny vidin’ny solika na dia nitotongana aza ny sandany teo amin’ny tsena iraisam-pirenena.













