Samy manana ny daty entina hankalazana ny taom-baovao malagasy ireo fikambanana mivohy azy io. Misy ny manamarika azy eo anelanelan’ny 3 hatramin’ny 6 febroary, misy ihany koa ny manao izany mandritry ny volana septambra. Araka ny fanazana nentin’ny filoha nasionaly ny MA.I.HA, Victorio Randriamihanta, dia mbola sarotra ny ahitana marimaritra iraisana amin’ny daty hankalazana azy io noho ny antony maro.