Tsy maintsy miverina amin’ny tetiandrom-pampianarana teo aloha isika. Izany no nambaran’ny Praiminisitra, Christian Ntsay, ny 12 aogositra teny Tsimbazaza, tao aorian’ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena. Maro ireo mpianatra mitaraina fa reraka nohon’ny halavan’ny taom-pianarana, hoy ny lehiben’ny governemanta.