Tontolo iainana: fifampizarana traik’efa teny Soamandrakizay
Nidina teny amin’ny toeram-pambolena zanakazo teny Soamandrakizay ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, Alexandre Georget, sy ireo mpikambana ao anatin’ny Antoko Maitso, avy any Suède sy Congo, hijery ny fomba fambolena zanakazo eto Madagasikara. Ny hifampizarana traik’efa no tanjona tamin’ity fihaonana ity.