Eo amin’ny manodidina ny 15%-n-ny harinkarena faobe na ny PIB (Produit intérieur brut) ny vola lany any amin’ny tsenam-baro-panjakana eto Afrika. Rariny hoy ny talen’ny ARMP (Autorité de régulation des marchés publics), Harison Vonjy Razafy raha hamafisina ny ady amin’ny kolikoly izay manjaka tokoa ao amin’ity sehatra ity. Maro noho izany ireo fepetra noraisina teo anivon’ity sampan-draharaham-panjakana ity ankoatr’ireo izay mbola hapetraka tsy ho ela.













