Nitondra fanazavana mahakasika ny tsy fahampian’ny solika teto andrenivohitra ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Office malgache des hydrocarbures (OMH) sy ny Groupement des pétroliers de Madagascar (GPM), ny Alatsinainy 21 oktobra. Nilaza izy ireo fa ny fangalan’ny mponina solika mihoatra noho ny tokony ho izy no nahatonga ny tahiry tsy ho ampy. Etsy andaniny anefa dia nanazava ny sekretera jeneralin’ny GPM, Alain Théodore Soumoudronga, fa teo ihany koa ny fahataran’ny sambo izay tokony ho tonga ny 15 oktobra, nefa noho ny antony tsy miankina amin’izy ireo manokana dia ny 25 oktobra indray vao ho tonga ao Tamatavy.