Fitarainana miisa 17 amin’izay heverina ho fandikan-dalàna sy tsy fanajana ny zon’ny mpandeha afitsoky ny mpitatitra eto an-drenivohitra no napetraka teny aminny sampandraharaham-panjakana misahana ny fintanterana an-tanety.
Manomboka mitsangana hampanaja ny zony ny mpajifa fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra. Nanao hetsika mifanarana amin’izany ny olom-pirenena vitsivitsy manoloana izay heverin’izy ireo ho fandikan-dalàna.
« Nametraka fitaraina izahay mpandeha sy mpanjifa ny fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra », hoy Hilda Hasinjo Ravelonahina, mpitarika ny hetsika. Nanatitra ireo antontan-taratasy momba izany teny amin’ny foiben’ny Sampandraharaham-panjakana misahana ny fitanterana an-tanety, teny Nanisana, izy sy ireo mpanjifa vitsivitsy, ny alatsinainy folakandro.
Miisa 17 ireo fitarainana. Nisy tamin’izy ireo fitaranaina iarahana ka miisa 14 ireo nanasonia ny antontan-taratasy. « Fanariana mpandeha an-dalana, fiodinana an-tsasa-dalana, fampiankarana saran-dàlana rehefa hariva ny andro na koa tsy fiasana aorian’ny dimy ora hariva no isan’ireo fitarainana » hoy Hilda Hasinjo Ravelonahina.
« Mangataka koa izahay ny hahazo dika ny bokin’andraikitra mahakasik’ireo mpitatitra mba ahalalanay inona no andraikitra sy tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra »
Angatahan’ireo vondron’ny mpandeha ireo ny hijerena ny mety ho fandikan-dalàna sy sazy mikasika ny koperativa na fiara fitanterana voakasika. Andrandrain’izy ireo koa ny handray anjara amin’ny fivorian’ireo sehatra voakasiky ny fintanterana hitadiavana vahaolana mikasika ny fitanterana an-drenivohitra. « Mangataka koa izahay ny hahazo dika ny bokin’andraikitra mahakasik’ireo mpitatitra mba ahalalanay inona no andraikitra sy tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra », hoy hatrany Hilda Hasinjo Ravelonahina.
Ny Talen’ny fitantanana sy ny vola eo anivon’ny ATT no nandray ireto antotan-taratasy ireto. Nanentana ny olom-pirenena ity tompon’andraikitra mba handefa ao amin’ny tamban-jotran-tserasera facebook an’ity sampandraharaham-panjakana ity ireo izay mety ho tsy fanarahan-dalana ataon’ireo fiara fitanteram-bahoaka ireo ary handefa ny laharan’izany izany fiara sy ny zotra misy azy. Tsy azo an-tariby kosa ny filohan’ny fikambanan’ny koperativam-pitanterana eto an-drenivohitra (UCTU) manoloana izao toe-draharaha izao.
Efa ela no nisy ny menomenona ataon’ny mpandeha fiaram-pitanterana eto an-drenivohitra manoloana izay heverin’izy ireo ho fandikan-dalàna. Izao kosa vao nisy ny hetsika fitarainana izay heverin’ny tompon-kevitra mba ho hampanajana ny zony.