Efa mitsangana amin’ny ampahany ankehitriny ilay Kianja Masoandro ao Anatirova. Nanaitra ny maro izany fanamboarana izany satria toa manimba ny maha vakoka ara-tantara ity toerana ity. Manazava kosa ny Tale jeneralin’ny Kolontsaina ao amin’ny ministerana ny Serasera sy ny kolontsaina fa tsy manimba izany velively ireo fanamboarana ireo.













