Maro ny tsindry mianjady amin’ireo valan-javaboahary eto Madagasikara. Nahitana fihenana anefa izany tsindry izany nanoloana ny ezaka sy ny fanentanana natao teny anivon’ireo vondron’olona ifotony. Mifampiankina ny fivoaran’ny valan-javaboahary sy ny fiainan’ny mponina an-drenivohitra. Noho izany, raha mbola misy ny fampiasana hazo aty an-tanan-dehibe dia tsy hitsahatra ny fitrandrahana sy fanapahana ala tsy ara-dalàna any anatin’ireny toerana ireny.













