Misy fifidianana sy fifidianana. Tsy voatery hitovy. Tany Eoropa, fara faharatsiny ny vahoakan’ny firenena sasany mba efa voataiza namaky ny gazety mihaja tahaka ny Times (efa nitsangana tamin’ny 1875), ny Guardian (1821) na ny Daily Telegrah (1855). Tany amin’ny olona, fara faharatsiny mba hita soritra mazava ny hevitra : hanao ISIKA sa hijanona IZAHAY. Any Andafy, fara faharatsiny ny lisi-pifidianana tsy ahitana matoatoan’ireo efa dadaben’i dadabe ary tsy iandrasana iray volana aty aoriana vao fantatra ny voka-pifidianana.
Ny Praiministra any Hongrie Viktor Orban dia isan’ireo manahy ny maha metisy kokoa hatrany an’i Eoropa. Aleo, hoy izy, avotana ilay Eoropa kristiana tandindon’ireto mpitsoa-ponenana afrikana sy arabo tonga marobe miloloha kolontsaina hafa ary mibaby fivavahan-drafy. Nihoatra ny antsasa-manila no nankatoa izany tany Hongria. Saika ny antsasa-manilan’ny mpifidy tany Polona dia nankasitraka izany tsangan-kevitra izany ihany koa. Tahaka ny ampaha-efatry ny mpifidy frantsay.
Tany Englanda (tokony heverina izay handikana ho teny malagasy mivantana avy amin’ny anarana fiantson’ny mponina ny fireneny avy fa tsy mbola tetezintsika avy amin’ny dika-teny frantsay indray), nandresy mazava ny antoko mandala ny Brexit, ilay fialana amin’ny Vondrona eoropeana. Mahatsikaiky ihany ny demokrasia manery ny olona, efa nifidy hiala an’i Eoropa telo taona lasa izay, anefa mbola taomina hifidy depiote hikabary any amin’ny Parlemanta eoropeana. Dia mbola demokrasia ihany koa raha ny antoko mangarika izany Eoropa izany no mbola hanolotra depiote betsaka indrindra hivory any Eoropa. Misy demokrasia sy demokrasia.