Raha ny tabatabam-pifalian’ny olona avy nijery baolina no mari-drefy, dia sambatra tanteraka ny Gasy. Tsara fiafara ity volana Jona 2019, iray volan’ny Teny Malagasy ity, fa mifanojo amin’ny Gasy manandriana ny azy.
Zava-bita tsy an’ny mpanao politika no sady tsy an’ny mpitondra fivavahana, ireo roaloha tena mpivarotra saka be loha teto, nandritra izay enimpolo taona izay (fa efa 1959 mantsy no nanomboka fa tsy niandry 26 jona 1960).
Ry Mahaleo nahavita nahafeno trano dimy andro misesy tao amin’ny Roxy, nampifaly raiamandreny sy zanaka hatramin’ny zafikely nifangaro, no hitako manakaiky. Ny zava-kanton’ny Mpihira izato, na mpihira izatsy, anefa mety mbola mampizara fa ity zava-bitan’ny mpilalao kitra ity no toa mampiray volo bangoina tokana ny Malagasy.
Ny Malagasy mantsy, hatramin’izay ka hatramin’izao, tsy ilaozan’ny hoe «Izahay» vao «Isika». Sivifolo minitra aty aoriana, Madagasikara 2 Nigeria 0 : «Isika» avokoa aloha. Raha mpitantara baolina fotsiny aho dia nijanona hatreo. Fa raha hitarafana ny fiaraha-monina eto dia tsy maintsy arahina fanontaniana hoe «Hatramin’ny rahoviana ?»
Fotoanan’izany ve izao ? Efa maro loatra ny ngidy iainan’ny Malagasy andavanandro. Efa an-taona maro loatra no sahiran-dava. Efa be loatra ny alahelo noho ny fandeferana manana ny marina, fandeferana tompony anefa mangataka atiny, fandeferana ho valalan’amboa.
Raha tsy te hanontany ny ho avy, tsy ilaina marina tokoa izany ahiahy izany. Faly aloha, faly fotsiny, faly izao dia izao. Izaho, Ianao, Isika : ho hita eo ny manaraka, atrehina rehefa tonga ny fotoana, fa aleo aloha mba tsy sambasambaina izao andro iray toa zato izao.
Ny mpitondra Fivavahana sy ny mpivarotra sampy isan-karazany moa tsy dia ahoako, satria safidy manokana ny resaka finoana. Fa ny mpanao politika no tsara mandini-tena. Inona no zava-bitan’ireo mpilalaon’i Madagasikara any amin’ny CAN ka tsy hainareo mpanao politika mihitsy hatrizay ? Tsy tsipy vola, tsy fafy harena, tsy fampanantenana paradisa, anefa dia miray fo ny olona. Zavatra tsotra ihany, anefa sarotra raha tsy entina amim-pitiavana sy am-pahatsorana : Fifaliana iarahana mamerina hambom-po.














