Imoron-tevana hivarina mihitsy ny firenena. Maro ny antony voatanisa (krizy ara-toe-karena, fahantrana isan-tokantrano, «fanjakan’ny madinika», sns) fa ny tena fahalovana dia ny nanaovana tsinontsinona ny «Fitaizana Olom-pirenena» efa ho 45 taona izao. Samy resy lahatra fa ny famerenana izany Fitaizana izany ifotony, amin’ny zaza madinika isam-pianakaviana sy any an-tsekoly, no hany hivoahan’i Madagasikara amin’izao hady mandifotr’olona izao.
Mizara Loha-hevitra maro izany «Fitaizana Olom-pirenena» izany. Tantara. Teny. Fomba. Madagasikara. Olona. Asa. Fambolena. Fiompiana. Sakafo. Varotra. Indostria. Tany. Tontolo. Biby. Zavaboary. Fiaraha-monina. Didy aman-dalàna.
Boky maro sahaza ny isan-taonam-pampianarana vao mahenika izany. Ny androany, taridresaka tokana no arosoko ho ohatra. Ny «Fiandrianampirenena» : Madagasikara imason’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, Madagasikara imason’ny vahoaka Malagasy, «Madagasikara ho an’ny Malagasy, Malagasy kosa ho an’i Madagasikara» arak’ilay hiran’i Ludger Andrianjaka. Faharoa azo heverina manaraka : «Fiaraha-Monina» : ny fahafahanao tsy hanelingelina ny fahafahan’ny hafa, ny fahafahana miteraka andraikitra, ny fahafahana ananana adidy.
Raha izaho tokoa no mampiana-janaka, tahaka izao ohatra no tiako ho saininy, heveriny, ho fakafakainy, hiainany, hampitainy.
Lohahevitra Ampianarina : FIANDRIANAMPIRENENA
Toko 1 : Firenena sy Olom-pirenena
Ry Tanindrazanay Malala ô
Ny Saina Fotsy-Mena-Maitso
Madagasikara, Nosy midadasika
Malagasy, Foko valoambinifolo
Teny malagasy, fototra indonesiana iray
Ny Repoblika sy ny Fanjakan’Andriana
Ny Fanjakana tokana sy ny Fanjakana federaly
Ny Latsa-bato sy ny Demokrasia
Ny Hetra sy ny tambiny
Ny Fahefana sy ny Vahoaka
Ny Fananam-bahoaka
Mpiasam-Panjakana
Voambolana dinihina : Tanindrazana, Firenena, Tenin-dReny, Tenin-dRazana, Tenim-Pirenena
Toko 2 : Vanim-potoana Fiverenan’ny Fahaleovantena
26 jona 1960 : Fanambarana imasom-bahoaka ny Fahaleovantena
14 oktobra 1958 : Fanambarana ny Repoblika
Aprily 1957 : Fifidianana isaky ny Antenimieram-paritany
1956-1957 : Rafitra tokana sa Rafitra federaly
23 jona 1956 : Loi-Cadre
Toko 3 : Vanim-potoana Fanoherana ny Fanjanahantany
3.1 : Teto Madagasikara
29 marsa 1947 : Inona marina no nitranga ?
4 oktobra 1948 : Fanamelohana ho faty ireo Solombavambahoaka MDRM
1915-1916 : Raharaha Vy Vato Sakelika (Ravelojaona, Ny Avana, sns)
1896-1897 : Menalamba, Rabezavana, Rabozaka, Toera, sns.
15 oktobra 1896 : Fitifirana an-dRainandriamampandry sy Ratsimamanga
3.2 Sehatra Iraisam-pirenena
25 aprily 1955 : Mifarana ny Fivoriambe Asia-Afrika tany Bandoeng (Indonesia)
7 mey 1954 : Ady tao Dien Bien Phu, resin’ny Vietnamiana ny Frantsay
6 marsa 1946 : Neken’ny Frantsay ny Fahaleovantenan’ny Vietnam
1939-1945 : Lefy Great-Britaina sy Frantsa : akon’ny Ady Lehibe tamin’ny Fanjanahantany
Ohatra dinihina manokana : Ethiopia
Ohatra dinihina manokana : Japana
Toko 4 : Madagasikara talohan’ny Fanjanahantany
4.1 Ny tsangambato rehareha iombonana
4.2 Ny madilana mbola tsy marimaritra iraisana
4.3 Tantara Malagasy sy/sa Tantara isam-Poko ?
4.4 Voambolana dinihina : Karazana, Fokonolona, Foko
4.5 Daty dinihina : 23 oktobra 1817, 30 septambra 1895, 6 aogositra 1896














