Ny fifanajana, na ara-poko, na ara-pihaviana, na ara-pivavahana, na ara-poto-kevitra, dia samy zanaky ny sanatria intsony nanenika izao tontolo izao taorianan’ny Ady Lehibe 39-45 : naratra ny vatana, ratsy ny saina, rombina ny fanahy maha-olona. Sanatria intsony !
Lohateny somary nanaitra, ary natao hanaitra, no nomen’i Francis Fukuyama ny bokiny hoe «Faran’ny Tantara» (1992) izay tsy inona fa izao marimaritra iraisana toa metimety amin’izao tontolo akehitriny izao : tsy misy firenena ka tsy milaza ho mandala ny demokrasia, tsy misy Nosy intsony ka tsy nitsobo-drano tamin’ny Fanantontoloana, ary lalàn’ny tolotra sy ny tinady tanteraka no mamehy ny tsena iraisam-pirenena.
Teto Madagasikara, raha ny sehatry ny Fivavahana, izany «Faran’ny Tantara» izany dia marimaritra nanodidina ny nanaovana batisa kristianina ny Mpanjaka Ranavalona II sy ny Praiministra Rainilaiarivony tamin’ny 1869. Noho ny «Rebik’Ondry» dia nanaraka ny Fivavahan’ny Andriamanjaka avokoa ny vohitra rehetra teto Imerina. Izay faritra nanendren’Antananarivo Governora dia nidiran’ny Fiangonana kristianina ihany koa. Tsy nanova zavatra firy tamin’izany ny fanjanahantany. Rehefa nanterin’i Gallieni sy ny mpandimby azy ny maha Renivohitra an’Antananarivo dia niakatra tsikelikely teto Andrenivohitra ny Karana silamo nivantana tam-boalohany tamin’ny morontsiraka andrefana. Dia nisy marimaritra hafa indray satria niara-nonina tsy nisy raorao, ry zareo Karana silamo rahateo tsy nanao fanamiana nisoratany tena imasom-bahoaka.
Arahabaina ny Silamo eto Madagasikara noho ny Eid Mubarak. Ny fahendrena notsoahina tamin’ny antambon’ny 39-45 dia mandrisika antsika amin’izany fifanajana izany. Saingy, ny fifanajana tsy ialan’ny fahamalinana. Tandindon’ny fifanandrinana ilay marimaritra ara-pivavahana voatanisa teo, noho ny afitsoky ny firenena silamo sasany, tondroina amin’izany Arabia saodita, ary indrindra noho ny habibian’ny islamista bontolo saina, mahavita mandatsa-drà sy manakorontana fiaraha-monina, any amin’ny Tany arabo, any Afrika, any Eoropa, eny fa any amin’ny Nosy noheverina fa lavitra tahaka an’i Sri Lanka aza.
Manaitra ny mahita ankehitriny irony vehivavy silamo misarontava tanteraka eto amin’ny araben’Antananarivo ; manaitra ny mahatsikaritra lehilahy silamo manao fitafy arabo any ambanivohitr’i Brickaville : iaraha-mahalala, fomban’ny firenena iza sy olona tahaka ny ahoana izany fihetsika izany. Tsy mba fomban’ny Karana silamo mantsy ireny : taranaka avy any Gojerat India ireo Karana ireo, ary efa hatramin’ny taonjato faha-18 no nonina teto Madagasikara. Na Silamo izy, na Hindo, dia mitonon-tena ho Malagasy rehefa mivahiny an-tanin’olona Andafy any, ary mitodi-doha miverina eto Madagasikara nahalatsahan’ny tavoniny izy ireny rehefa maty ka halevina na ho dorana. Vao naneho ampahibemaso izy ireo fa hiara-misalahy amin’ny Katolika rehefa hivahiny eto Madagasikara ny Papa François amin’ny 6 septambra.
Malailai-ho-fonosina loatra ny Fivavahana ka tsy azo avela ho resak’izy samy mpivavaka fotsiny. Ny fifampitokisana tsy ialana fanaraha-maso. Tsinin’ny Fitantanan-draharaha eto Madagasikara mihitsy no tsy mba manana fanisam-bahoaka ara-poko sy ara-pivavahana. Fitaovana ireny fa tsy sanatria hoe fanavahana na fanilihina. Ny firenena britanika ohatra, izay isan’ny loharanon’ny demokrasia, dia mampanao matetika izany karazam-panisam-bahoaka izany. Fitaovana enti-mahafantatra, fitaovana enti-miomana, fitaovana enti-mandamina. Raha vao vita ny Ramadany, farany teo, dia nisy carnaval tampoka nanemitra ny arabe tetsy Mahamasina anefa ny fiarakodia rehetra nijanona nanaja ilay «Earth Hour» ho an’ny Tontolo iainana. Hatrizay hatrizay, izany Antananarivo izany dia fantatra foana fa vohitra Merina ary maro an’isa Kristiana : nisy marika nikisaka izany tao fa tsy tandrintandrina ? Hatramin’ny dimampolo amby zato taona nisian’ny Moske voalohany tao Nosy-Be, fantatra ihany koa fa ny Silamo Shiita no maro an’isa eto noho ny Silamo Sonita : nisy marika hafa nikisaka ihany koa ve fa tsy tandrintandrina ? Nahatsikaritra ary nahatandrina izany ve ny Ministeran’ny Ati-Tany, izay sady Ministeran’ny Antokompinoana ?














