Trano Kotona, Trano Sarendry, Trano Faham-bainga, Trano Sokera, Trano Misionera : samy nifarimbona, nitondra laro anglisy, laro kreola, laro merina, nahamasaka ny Trano Gasy…
«Le Madagascar Illustré», Revue de Madagascar, Bulletin de Madagascar, «Antananarivo et l’Imerina» (Philippe Oberlé, 1976), «Antananarivo taloha sy ankehitriny» (Ministeran’ny Fanolokoloana sy ny Zavakanto, 1984), «Maisons royales, demeures des grands à Madagascar» (Didier Nativel, 2005), «Antananarivo : un patrimoine méconnu» (Stefaan de Wolf, 2007), «Tananarive» (Jean-Pierre Pénette sy Christine Lohau Pénette, 2012) : mamaky ireo boky ireo aho, mahita ny sarin’Antananarivo taloha ao, mijery ihany koa ny sary taloha efa nanaovanay «Andohalo» fampirantiana, dia lasa saina hoe «Simba, simba tanteraka ilay Antananarivo».
Santionany. Etsy Ambatobevanja : inona io mari-trano misy ny restaurant «Vue Royale» io ? Olona tsy mahay tantara ohatra ny ahoana loatra no nanome alalana hananganana io amin’izao endriny izao ? Eo ampitany : inona koa io mari-trano nataon’ny Ministeran’ny Fiarovana io ? Tsy nisy mihitsy, na olona iray aza, mba nanadihady, nijerijery sary, namaky boky, hoe endrika trano ahoana no maha «Haute Ville» an’iny Antananarivo iny ? Jereo ireo tranovadim-piangonana mitandahatra eo amin’ny tokontanin’ny Katedraly katôlika Andohalo : nankaiza re ny Jesoita tamin’ny taonjato faha-19 ! Tsy mba nisy mpandimby izay nanao ny mari-tranon’ny Kolejy Saint-Michel na ny Fiangonana Favohitra…
Trano sokera (avy amin’ny teny anglisy hoe «square»), haingoin’ny lavarangana tongo-bato ety ivelany, avo valin-drihana sy vaky lalantsara ao anatiny : namboarin’i William Pool ho tranon’i Révérend Joseph Pearse tetsy Faravohitra ny taona 1864, araka ny sary nataon’i James Cameron. Nihanaka nampiavaka an’Antananarivo sy Imerina io endri-trano «Misionera» io. Raiki-tampisaka ho «Trano Gasy» no iantsoantsika azy. Ny tena «Trano Gasy», na «Trano Ntaolo», anefa dia ny Trano Kotona voriloha manana lafin-tafo efatra (fa tsy roa).
Ny taona 1831, no nirahin-dRanavalona I ny Governora Rafaralahindraininaly hanangana ny Tanàna teo amin’ny vohitra nantsoina taloha hoe «Ivoenana» na «Voainana» (Dubois, Monographie des Betsileo, p.22), «Ivoneana» (Dubois, p.231) ; «Voënana» (Firaketana, n°142, 15.09.1950, p. 470), «Ivonea» (Pierrot Men)…. Mbola Trano Kotona no endrin-trano tamin’izany teo Antananarivo satria ny 17 jiona 1868 vao nofoanana ny fady mikasika ny vato sy ny tany amin’ny fananganan-trano. Izay vao azo norakofana vato Manjakamiadana, ary nalatsaka ny vato fehizoron’ny Tranovato Fiangonana Anatirova (20 jolay 1869 – 8 aprily 1880).
Volana aogositra 1870 no nanomboka nipetraka tany Fianarantsoa ny Misionera James Richardson mivady ka inoana ho nanaparitaka ny «Trano Gasy-Misionera» ny nahatongavany tany. Ny taona 1873, Ranavalona II no nivahiny tany Fianarantsoa (4 septambra – 9 oktobra), ka amin’ny sary dia efa nisy «Trano Gasy-Misionera» maromaro nijoro. Taloha kelin’ny nahafatesan’ i James Cameron (3 oktobra 1875), dia nifindra nonina tany Ambatondrazaka i Joseph Pearse ka izy no nanely tany ny «Trano Gasy-Misionera».
Misy ara-Tantara tokony tanana ho Vakoka. Tsy midika akory izany hoe mandà fanovana fa mba fanovana amin’ny tsara. Mba tena «zava-kanto» marina ny «architecture». Tsy maka tahaka ny any New York, La Défense. Mampa-tsi-manam-paharoa an’Antananarivo. Tsy manimba maso : Villa Vanille Antanimena, Ministeran’ny Varotra Ambohidahy, Lapasoa Isoraka…














