VIH/SIDA – Azo lazaina fa mbola ambany ihany ny tahan’ny fihanaky ny aretina VIH-SIDA eto Madagasikara. Nambaran’i Dr Rivosoa Rabetokotany, tompon’andraikitry ny SE/CNLS anefa anio (21 novambra) fa olona 4.406 no voatily, ary fantatra fa mitondra izany tsimokaretina izany manerana ny nosy. Vinavinaina ho 35.000 kosa ireo olona ahiana ho marary nefa mbola tsy voatily.
4.053 amin’ireo marary efa voatily ihany anefa no mety manaraka fitsaboana, sy mihinana fanafody raha ny tatitra azo ihany. Mbola sarotra noho izany ny asa miandry amin’ity ady atao amin’ny aretina VIH-SIDA ity eto Madagascar hoy ity mpitsabo ity.













