Nirongatra be indray ny fanimbana ny tontolo iainana nandritra ny vanim-potoanan’ny fihibohona hoy ireo fiaramonim-pirenena misehatra amin’izany. Nilaza kosa ny ministry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra Baomiavotse Vahinala Raharinirina fa efa fantatry ny fanjakana mialoha izany ary efa nisy ny fepetra noraisina.













