ANTSIRABE – Maro ireo tanora misehatra eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana eto Madagasikara. Olana iray tsy ahafahana mampivoatra io sehatra io ny tsy fahampian’ny traikefa. Nanao fidinana tany Antsirabe ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Sabotsy lasa teo, nanamafy ny famatsiana ho an’ireo tanora miofana eo amin’izany sehatra izany.
Ny orinasa Agrivet dia tsy mitsahatra ny manohana ny tantsaha any ambanivohitra amin’ny famatsiana masomboly sy zanak’akoho tsara kalitao entina mampiroborobo io seham-piarihana io.