Fotoana izao, hoy ny sendikan’ny mpiasan’ny Air Madagascar, handinihan’ny fitondram-panjakana ny raharaha Air Madagascar. Satria ankoatra ireo olona maherin’ny 2000 miankina amin’ny fihodinan’ny orinasa dia iankinan’ny fandrosoana sy ny toe-karen’ny firenena ity orinasam-panjakana ity. Anisan’ny fangatahana ataon’izy ireo ny tsy handaniana izay famatsiam-bola mety ho azony amin’ny famerenana fotsiny ny trosan’ny orinasa fa mba sady hamerina tsikelikely ny trosa aman’arivo tapitrisany no hiasa sy hihodina ihany koa. Ny fanazavan’i Alain Rabetrano, mpitarika sendikaly ao amin’ny Air Madagascar