Antananarivo 9 aprily 2020 – Manana ny antony manokana ireo mpandeha izay namonjy ny tobim-piantsonana ny 9 aprily 2020, andro farany hahafahan’ireo mponina mody any amin’ny toerana niaviany. Nizotra am-pilaminana ny teny amin’ny Gare Routière Maki Andohatapenaka tamin’ity andro fahatelo ity raha mitaha tamin’ireo andro roa voalohany.













