?Anjanahary II N : Trano fonenana maro ravan’ny afo
Trano fonenana maro tao amin’ny fokontany Anjanahary II N no may kilan’ny afo io tolakandro io. Teo amin’ny toerana nisy ireo trano hazo no niatombohan’ny afo ary nitatra tamin’ireo trano lehibe izany.
Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra mazava ny antony mahatonga ny loza ary tsy mbola voafaritra ihany koa ny habetsaky ny fahasimbana na ny isan’ny tsy manan-kialofana.













