NAINA ANDRIANTSITOHAINA – Notontosaina ny marainan’ny 16 janoary 2020, tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny ben’ny tanàna ny Antananarivo renivohitra teo aloha, Lalao Ravalomanana, sy ny ben’ny tanàna voafidy vaovao, Naina Andriantsitohaina.
Nanambara i Naina Andriantsitohaina fa tsy maintsy hirosoana aingana dia aingana ny asa, ary laharam-pahamehana aminy avokoa ny programan’asa rehetra.













